<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>658</hymn_number>
<title>Tonga ny fahafatesana! FFPM658</title>
<lyrics>[V1]
 Tonga ny fahafatesana,
 Ary jinjany ny velona ;
 Izy manapaka ny lehibe
 Sady mamira ny kely re !

[V2]
 Nefa ny fasana maizina
 Efa nidiran'ny Masina ;
 Izy nampody ny fiainana,
 Resy ny fahafatesana.

[V3]
 Amin'ny manam-pinoana,
 Dia mazava ny fasana ;
 Izy hitsangana finaritra
 Noho Jesosy Mpanavotra.

[V4]
 Resin'ny Tompo ny fasana,
 Koa, ry fahafatesana,
 Aiza izao ny fanindronanao ?
 Aiza, ry helo, ny herinao ?</lyrics>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>